Manomana hetsika ho fitetezam-paritra, ato anatin’ny faritanin’i Mahajanga ny VPAN Afakandro Christian, ka anisan’ny nisantatra izany voalohany, tamin’ny alalan’ny fihenoana nivantana ny olana misy any amin’ny kaominina hiandraiketany ny ben’ny tanàna, ato amin’ny disitrakan’i Maevatanàna ny Zoma faha 15 May taona 2026 teo, tokony tamin’ny sivy ora maraina, tao amin’ny » Espace Tiana Royal. Nibahan-toerana nandritra izao dinika izao ny fijerena manokana ny filan’ny vahoaka sy ny tsy fandriampahalemana mitady hahazo vahana, ato anatin’ny disitrika voalaza etsy aloha. Nisy ihany koa ny fanentanana ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ny amin’ny hanarahan’izy ireo ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana no tokony hanao laharam-pamehana ny tamberinandraikitra, amin’ireo vahoaka ny asa fitrandrahana ataon’ireto farany, raha ny fanazavan’Atoa filoha lefitry ny Antenimerampirenena misahana ny faritanin’i Mahajanga hatrany. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakanana Fanavaozana ny fihenoana ny marary ny vahoaka, amin’ireo rafi-panjakana misy aty ifotony. Ezahin’Atoa VPAN hihenoana tahak’izao ny any amin’ny disitrakan’i Kandreho sy Tsaratanàna, izay mandrafitra ny faritra Betsiboka.
Ratantely




