- Publicité -
jeudi, octobre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDistrikan’i Brickaville : Naiditra am-ponja vonjimaika « Ikotofetsy » sy ny namany

Distrikan’i Brickaville : Naiditra am-ponja vonjimaika « Ikotofetsy » sy ny namany

Tena nahamailo sy nampatahotra ny vahoaka tao Brickaville ity jiolahy antsoina hoe « Ikotofetsy » ity, izay saika mampiasa ny hafetseny hatrany izy amin’ny asan-jiolahy fanaony. Voasambotra tao Brickaville izy farany teo ary efa niakatra fampanoavana teto Toamasina izay fitsarana ambaratonga voalohany misahana ny raharaha, ka izao naiditra am-ponja vonjimaika alohan’ny fitsarana ny raharaha. Araka ny fanazavan’ny zandary tao Brickaville dia efa teny ambony fiara hiazo ny tanana hiafenenany izy no tratran’ny zandary niaraka tamin’ny akoho marobe sy ny kojakoja fangalany, toy ny kojakojana moto maro niara-tratra taminy. Tsy afa-niala intsony ranamana ka niaiky ny halatra fanaony Ingahy « Ikotofetsy », ary nanondro ireo namany mpiara-manao asan-jiolahy taminy koa izy. Mila fitsarana mandray andraikitra mikasika ity jiolahy ity ny mponina, fa raha misy ny famotsorana azy io sy namany dia fantatry ny vahoaka any Brickaville fa tsy maintsy hamaly faty izy ireo ka hijaly indray ny vahoaka any an-toerana amin’ny asa ratsy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici