Novakiana ankehitriny ny lalana mampitohy ny kaominina Ranomafana sy Fanasana, raha efa ela no nikasana izany tamin’ireo mpitondra nifandimby ny faritra Atsinanana. Lalana mirefy 20km ity lalana ity, ka samy hahazo tombotso amin’izany avokoa na i Ranomafana na i Fanasana hatramin’i Brickaville ihany koa. Tsy nahasakana ny fanokafana ilay lalan-tany ny orana tany an-toerana tao anatin’ny roa herinandro, fa nitohy foana ny fanokafana ilay lalana. 05km tamin’ity lalana 20km no efa vita ankehitriny, saingy tsy hitsahatra izany raha tsy vita manontolo ny fanokafana izany. Hiakatra ny hafaiganam-pedeha manomboka izao, ka lalana 02km isan’andro no tsy maintsy hovitaina ho ny « Bulldozer » manao ny asa any an-toerana. Tena manara-maso ny asa ny filohan’ny fanavaozana Col Randrianirina Michael, sy filoha lefitry ny antenimierampirenena Toamasina Atoa Fidel Razara Pierre. Ny lehiben’ny faritra Atsinanana Razafiarison Jean Jugus no tompo-marika amin’ny fanatontosana izao fanokafan-dalana izao. Efa vonona avokoa ireo soloky mety ho lany mandritra ny asa atao, ka ny tanjona dia tsy maintsy hisokatra ny lalana afaka iray volana eo, mba ho tombotsoan’ny tsirairay.
Malala Didier




