« Miala ny ben’ny tanana Ludovic sy Christian BIF Toamasina II izao dia izao, omeo ny zonay nanamaintimolaly araka ny ord :74-021 momba ny ‘Abus de Propriété’, esory ny maire fa maka ny taninay, aryesory ny maire fa manararaotra sy manao tsinotsinona ary mpaka tanim-bahoaka hatramin’ny fasana ». Ireo ny sora-baventy tazana nentin’ireo vahoaka maro be tao Ambalamanasy omaly nandritra ny fidinana an-dalambe nataon’izy ireo, nanoloana ny lapan’ny tanana tao amin’ny kaominina suburbaine Toamasina II. Araka ny nambaran’ireto vahoaka maro be nanohana ny antson’izy ireo dia tsy eken’izy ireo intsony ny fakana ny tanin’izy ireo an-tsokosoko, ary tsy vitan’izany fa mbola ny vahoaka ihany koa no torian’ny ben’ny tanana sy ny ekipany eny amin’ny zandary sy polisy isaky ny mihetsika. Izy ireo anefa no tonga eny aminay Ambalamanasy maka ny taninay sy mandevina « borne » amin’ny taninay andro alina, tahaka ny voalazan’ity rangahy iray nahita ny fiara maro teo amin’ny amin’ny andro 03 ora maraina handevina « borne ». Niatrika izao fitokonana nataon’ny vahoakan’ Ambalamanasy izao ihany koa ny fikambanana GSM na « Gasy Sahy Manova » notarihan’ny filohany. Nitohy tamin’ny fotokanana an-dalambe ny toe-draharaha ny tolakandro, raha tsy nandray ireo vahoaka na ny solon-tenany mihitsy ny ben’ny tanana sy ny ekipany. Nihazo ny lalana mahitsy mandalo tao Ambohijafy – Valpinson – Ankirihiry – ary Mangarivotra ireto vahoaka marobe nanohy izany.
Malala Didier




