Niha-nahazo vahana tokoa tato ho ato ny resaka doro tanety, izay nahalasibatra valan-java-boahary misimisy ihany, manerana ny Nosy. Tsy mijery fotsiny fa tena mirotsaka an-tsehatra ary manao ny ainy tsy ho zavatra ireo eo anivon’ny Tafika malagasy amin’ny ady amin’ny famonoana ny afo, raha ny fanazavana azo. Miara-miasa akaiky ary mifanome tanana ny ministera roa tonta amin’izany dia ny eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ary eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena, araka ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra, lehiben’ny governemanta. Omaly dia nisy ny fidinana ifotony, notanterahan’ny Ministry ny fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoniriana Richard sy ny Ministry ny tontolo iainana, Rtoa Vina Orlea, tany amin’iny faritra Ankazobe iny izay misy ny valan-javaboary Ambohitantely, izay mbola ao anaty firehetana. Voatery nampiasàna angim-by mihitsy moa izay ahafahantarana ny velarantany may sy ny antony nahatonga izany ary ny hamafin’ny afo izay hiadiana. Efa nahetsika ihany koa ireo ratsa-mangaika rehetra, hiara-hisalahy amn’ireo fokonolona. Marihana, hoy hatrany ny fanazavana azo fa anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny famonoana ireo afo vokatry ny doro tanety ireo vondrona rehetra teo anivon’ny Tafika malagasy manerana ny Nosy : ny tany Soalala, ny tao Tsararivotra Manakara ary ny tany Soanierana, faritra Anosy, ny faran’ny herinandro lasa teo.
m.L