- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversDr Rado Ratobisaona : MD ny fofom-badiny

Dr Rado Ratobisaona : MD ny fofom-badiny

Ilay vehivavy no voarohirohy ho tompon’antoka.

Ny herinandro lasa teo no nisy fivoarany be ny fanadihadiana mahakasika ny fahafatesan’ny an’I Rado Ratobisaona, manam-pahaizana amin’ny toe-karena. Izany dia taorian’ny fametrahan’ny fianakaviany fitoriana teny amin’ny zandary mahakasika ny ahiahian’izy ireo fa vonoan’olona no nitranga fa tsy fahafatesana tsotra. Nisokatra tokoa ny fanadihadiana ary niantefa tany amin’ny fofom-badin’ny maty ny fanahiana voalohany. Nentina teny amin’ny fampanoavana izy ny zoma teo ary nidoboka am-ponja vonjimaika mandram-pahatongavan’ny fotoam-pitsaràna azy. Izany dia mbola hialohavan’ny fanadihadiana lalina noho ny fanahiana ny maha-heloka bevava ny zava-nitranga. Raha tsiahivina dia hita faty irery tao an-trano ity lehilahy ity. Ny fahitàna dian-dratra tamin’ny lohany no azo heverina fa nanaitra ka nitarika amin’ny fanadihadiana momba ny vonoan’olona. Dia nisy voasambotra tokoa tao anatin’izany izay tsy iza fa ny fofom-badiny ihany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici