- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversDREDD VAKINANKARATRA : Nahasarika ny maro ny fampiasana arina maitso  nandritra ny JME

DREDD VAKINANKARATRA : Nahasarika ny maro ny fampiasana arina maitso  nandritra ny JME

Nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana  ny fitaleavam-paritra teto Vakiankaratra ny faha 8 jona lasa teo, ny datin’ny 5 Jona no natokana ho fankalazana ity andro ity saingy nifanojo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny pantekosta ka nahemotra tamin’io fotoana io. Tao amin’ny alliance Francaise Antsirabe no nanamarihana izany tamin’ny alalan’ny hetsika ara zava kanto, fifaninana nataon’ireo ankizy mpianatra avy ao amin’ny Cisco Antsirabe I. Fifaninana izay niompana tamin’ny fanehoana fahaiza miteny, mitantara arahina feon-kira na SLAM, ,niampy tantara lalaovina an-tsehatra mifantoka tamin’ny loahevitra tamin’ity taona ity   “miha simba ny tanintsika ndao harovana”. Tsikaritra fa ao antsain’ny ankizy, anatin’ny rà-ny mihitsy ny fiarovana ny tontolo iainana hoy Ratefason Tojotsara  talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-javy eto Vakinankaratra satria hita soritra izany tamin’ny talenta sy  kanto nasehon’izy ireo. Maro ny loka nozaraina tamin’ireo mpandray anjara ary saika nahazo anjara avokoa ireo mpifaninana rehetra.

Fa isan’ny tena nahasarika ny maro tokoa ny varotra fampiaratiana arina maitso na “charbon vert” vita eto an-toerana. Marihina fa vokatra azo avy amin’ny fanodinana fako izy ity, arina ekolojika no fiantso azy satria miharo aminny tontolo iainana no mampihenena ny fitrandrahana ala amin’ny fanaovana arina sy fampiasana kitay. Tsy ampy nojifain’ny olona ny vokatra nandritra ny fampiratiana, maro ny tokatrano no efa mampiasa azy, ankaotra izay dia  maro ihany koa ny hotely sy orinasa goavana eto Antsirae no mampiasa ity arina maitso ity.  Mahatratra 22 amin’izao ireo orinasa salantsalany  manamboatra arina maitso eto Antsirabe sy ny manodidina. Miezaka ny fitaleavam-paritra hampiroborobo ny fanjifana sy fampiasana ity vokatra ity satria mampihena ny fampiasana kitay sy arina ny fanjifana azy. Fantatra fa hisy toeram-pivarotana iray hapetraka  hanakaiky ny vahoaka eto Antsirabe hamantara’ny maro azy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici