- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversDREDD VAKINANKARATRA : Tanjona ny hametrahana tanin-janakazo isaky ny kaominina

DREDD VAKINANKARATRA : Tanjona ny hametrahana tanin-janakazo isaky ny kaominina

Azo tanterahina tsara ny handrakotra ala an’i Madagasikara, manana karazan-kazo maro haingam-pitombo tsy hita afa-tsy eto rahateo isika ary malalaka ny velaran-tany mbola azo volena. Velaran-tany 11 hektara no novolena zanakazo tao Andekobe, kaominina Betafo, nandritra ny fanokafana ny taom-pambolena ho an’ny faritra Vakinankaratra. Niara-dia tamin’ny Ministeran’ny tontolo iainana ny coeur forêt izay miezaka mamboly hazo eto Vakinankaratra. Maro rahateo ny fiaraha-miasa efa nahomby niarahana tamin’ny « coeur de forêt ». Nambaran-dRtoa Ratefason Tojotsara, talem-paritry ny tontolo iainana eto Vakinankaratra, fa efa misy 2 metatra ankehitriny ny halavan’ny kininim-potsy novelena ary aman’hektara ny tany feno ala midoroboka. Hentitra ny fepetra norasina amin’ny fanaraha-maso sy fikojakojana ny tany novolena hazo, raha ny fanazavan’ny tale hatrany. Isan’izany ny fametrahana takela-by mandrara ny fidirana amin’ny faritra, indrindra fa ny fidiran’ny omby, ny fanaovana aro afo ary fanadiovana ny manodidina ny lavaka nambolena hazo. Tsy natao latsa-danja ihany koa ny fanosohana ireo hazo maty. Izany no natao mba hampahomby ny fambolen-kazo izay efa hita taratra sahady ny fivoarany tao anatin’ny roa taona. Tanjon’ny foibem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy eto Vakinankaratra ny hemetraka « pepinière », na tanin-janakazo, isaky ny kaominina mba hanamorana ny fambolen-kazo. Tetikasa izay hiarahana amin’ny faritra sy ny « graine de vie » ary indrindra angatahana tohana avy amin’ireo orinasa maro eto Antsirabe ny fanatanterahana izany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici