- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversDRJS VAKINANKARATRA :  Tafapetraka ny tale vaovao

DRJS VAKINANKARATRA :  Tafapetraka ny tale vaovao

Erin-taona sy tapany no nitantan’I Atoa Rakomavo Boris tale mpisolo toerana ny sampadraharaham-paritry ny tanora sy fanatanjahan-tena eto Vakinankaratra. Tao anatin’ny tsy fisiana tanteraka ny sampandaharaha nandritra izay fotoana nampiodidina ny asam-panjakana izay araka ny fanazavana. Tsy natao sakana anefa ny tsy fisian’ny vola natokana hanodidina ny sampandraharaha fa niezaka nampiasa izay teo am-pelantanana matoa afaka niaina sy nandray anjara tamina hetsika maro teto Vakinankaratra ihany ny fitalevam-paritra. Porofon’izay ny fampandehanana ny asa anatiny indrindra ny fahazahaoana vokatra tsara teto Vakinankaratra raha resaka fifaninana ara panatanjahan-tena no resahina.

Vaindohan-draharaha ho an’ny tale vaovao Rtoa Rabarijaona Antsa Narindra kosa ny famenoana ny fahambangana niaiana   satria nandritra ny fotoana maro dia tale mpisolo toerana no niasa teto. Tsy hivaona amin’ny vina napetraky ny fitondrana foibe ny zava kinendry fa hanatateraka ny velirano napetraky ny filoha. Ankoatra izay dia hojerena manokana ny fangatahan’ny tanora izay maniry fatratra ny hanana sketpark eto Antsirabe satria maro  ny tanora mpakafia sy manan-talenta amin’io taranja io. Hamafisina ihany koa ny fiaraha miasa akaiky amin’ireo ligim-paritra misy eto Vakinanakaratra raha ny fanazavany.

Tontosa ny 25 janoary 2023 lasa teo famindram-pitantanana teo amin’ny Rtoa Rasendrasoa Hantamala tale teo aloha sy ny tale vaovao voalaza anarana etsy ambony.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici