- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversEasy Park : Manenjika isa fotsiny !

Easy Park : Manenjika isa fotsiny !

Isaky ny « contravention » na taratasy famaizana izay omeny no hamaritana ny tambin-karaman’izay manome izany. Lasa manenjika isa arak’izany ireo mpiasan’ny Easy Park izay mijirika ny fiara etsy Analakely sy ny manodidina azy. Ary ny tena tsy mety dia lasa misy fitaka ao anatin’izany. Misy ny olona izay handrasan’izy ireo hipetraka tsara amin’ny fitoeran’ny fiara. Rehefa izay dia mody manatona kely manao hita. Ekena hatreo ny fampatsiahivina hataon’izy ireo fa vetivety fotsiny dia eken’izy ireo ihany ny tsy hividianana « ticket ». Betsaka anefa ny talanjona rehefa hiverina haka ny fiarany fa efa mipetraka soa aman-tsara eo amin’ny fitaratra ny taratasy fanasaziana ary eo dia tsy hita intsony ilay olona noresahina mba hampahafantatra ny antony na koa ny anton’ny nivadihany tamin’ny teny nomeny. Fitaka toa izany no mateti-pitranga eny Analakely ary mainka koa mahatezitra ny olona amin’ity orinasa tsy miankina izay mandritra ny parking eo an-toerana ity. Rariny loatra raha ny filan-kevitry ny fiadidiana ny tanàna aza dia tsy manaiky ny hanitarana ny toerana izay kasain’ny Easy Park hiasàna. Be loatra ny fitarainana mahakasika ny tsy mety hataon’ity orinasa ity. Na ny polisy aza dia sorena satria ny asan’izy ireo no lasa hataon’ny sivily. Eto amintsika ihany no misy izany hoe ny sivily no manome sazy ho an’ny olona, tsy ilaina akory izany ny « police judiciaire ». Miaka-pofona hatrany ny mpampiasa fiara ary any anaty tambajotra sosialy rehetra any dia tsy misy afa-tsy ny fankahalàna no feno raha vao mijery momba ny Easy Park. Olona manara-dalàna ny malagasy fa kosa rehefa tsy manaraka ny fenitra takiana sy hatao am-pitaka mba hitadiavam-bola ny fanasaziana dia tsy azo ekena. Mila mijery akaiky ny tompon’andraikitry ny kaominina…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici