- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversEddy Maminirina : Karohina indray noho ny trafikan-tsokatra

Eddy Maminirina : Karohina indray noho ny trafikan-tsokatra

Nivoaka indray ny fikarohana an’i Maminirina Jean Eddy izay fantatra tamin’ny solon’anarana « Eddy bois de rose ». Rehefa nokarohina nandritry ny dimy taona dia voasambotra izy tamin’ny 2019 ary nigadra teny Tsiafahy noho ny trafika hazo sarobidy sy famotsiana vola. Nisy fikasàna hitsoaka ny fonja indray anefa tamin’ny 2021 ary dia nitombo ny sazy an-tranomaizina. Ankehitriny indray dia karohina izy, tsy noho ny hazo sarobidy intsony, fa trafikan-tsokatra indray. Navoakan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiarovana ny tontolo iainana ny alatsinainy teo ny fikarohana azy eto amin’ny firenena noho io antony io. Mbola mampametram-panontaniana kosa ny fomba nivoahan’i Eddy Maminirina ny fonja satria raha ny fahafantarana azy dia mbola tsy vita ny saziny. Indrindra koa mbola nitombo roa taona aza izany rehefa nisy ny fikasàna hitsoaka ny fonja. Raha ny tombana dia isan’ireo navoaka am-ponja izy tao anatin’ny vanim-potoana izay vao nivadika ny fitondràna ka gaboraraka ny fivoahan’ireo izay nolazaina fa gadra politika. Eto anefa dia olona voasaringotra tamin’ny raharaha trafika tontolo iainana izy ary isan’ny sazy mafy no nianjady taminy. Ary dia namerin-keloka soa aman-tsara koa satria niala tamin’ny hazo sarobidy dia niditra tamin’ny sokatra indray. Midika izany fa mbola mafy sy maro ny tambajotra ao ambadikany. Saingy niova fitondràna ary tsy nisalasala ny minisitera misahana ny fiarovana ny tontolo iainana ny nanenjika azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici