- Publicité SW45 -
mardi, janvier 21, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary-Maevatanàna : Efa ahitana areti-maso "Migy" koa any an-toerana

Antanimbary-Maevatanàna : Efa ahitana areti-maso « Migy » koa any an-toerana

Mihazakazaka be ilay aretina mifindra amin’ny maso na hoan’ny eto Maevatanàna, indrindra fa mahay mikisaka ihany koa ny olona voany ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary an-kehitriny no tsy mitsaha mitobo, sady tsy mifidy na Zaza menavava eny hatrany amin’olon-dehibe amin’izao. Raha ny loharanom-baovao dia avy any Mahajanga no tena nahitana ny areti-maso voalohany no nahatratra 1000 ny olona ahitana izany, ka tamin’ity herinandro ity no nahitana ity tranga ity ny teto Maevatanàna an-tapon-tanàna, ary izao nikisaka any Antanimbary indray izao. Hatreto aloha dia mbola tsy voafaritra ny isan’olona mitondra ny aretina eny anivony fiaraha-monina, satria misitri-belona, no sady manao dokotera tenany tsy manantona tombim-pahasalamana hoy kosa ny mpitsabo iray ao amin’ny Csb II Antanimbary . Misy amin’izy ireo ny olona avy aty an-toerana sy sendra vahiny mandalo. Noho izany dia tokony hitandrina ny rehetra manoloana ny firongatry ny areti-maso izahay antsoina hoe « Migy, » ary tokony hodiovina matetika amin’ny rano sy savony na amin’ny Gel Désinfectant ny tanana sy tandrovina tsy ho voakasika ny faritra ny maso no atokana ny fotaovana fampiasa rehetra mandro ( Effets Personnels) ary tokony hanantona tobim-pahasalamana haingana ahazoana fitsaboana sahaza hoy hatrany ity mpitsabo ity raha nitondra fanentanana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. inona moa ny sakana raha mba asin ma barrage sanitaire nationale na regionale,hifehezana ny fiparitahan ny areti maso toy ny tamin ny andron ny covid ,itsy voalohany izay hita taratra ety ivelany ny olona voany .

  2. Tsy ho voasakana io aretina io , satria ny rano hisasana manahirana eto andrenivohitra ary ny savony efa tsy hay vidiana ,izany hoe ireo madinika sy sahirana no tena hijaly

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici