- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversEfa-dahy tratra nangalatra taolam-paty : Nokasaina hamidy 10 tapitrisa ariary ny kilao

Efa-dahy tratra nangalatra taolam-paty : Nokasaina hamidy 10 tapitrisa ariary ny kilao

Raha mbola teo am-pitadiavana olona hividy ny « entana » azon’izy ireo mihitsy ireto efa-dahy mpangalatra taolam-paty no tra-tehaky ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe tao Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavàna azo dia notombanan’izy ireo hatrany amin’ny folo tapitrisa ariary mahery any ho any ny kilaon’izany taolam-paty izany. « Loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, mahakasika ny fisiana olona manana taolam-paty amidy no azon’ny polisy. Nisy ny velam-pandrika natao ka nomena fotoana ireo olona ireo » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Voajono tanteraka mihitsy ireto olon-dratsy teo. « Ny alahady lasa teo dia telolahy nitondra gony no tonga nihaona tamin’ireo polisy nilaza ho mpividy ». Noraisim-potsiny teo moa ireo mpanimbazimba razana ireo, rehefa nosavaina tokoa ny gony nentin’izy ireo, izay feno taolam-paty maromaro niisa teo amin’ny 47. « Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa fasana avy tao Ambatomenaloha ihany no nakan’izy ireo ireo taolam-paty ireo ». Voalaza araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana fa feo mandeha ny amin’ny hoe misy olona sahy mividy lafo itony taolam-paty itony no nanosika azy ireo hamaky fasana. Nandritra ny famotorana moa dia nanonona olona iray izay mpiray tendro amin’izy ireo izy telolahy. Ity farany dia voalaza fa mety ho nanamora ny famakian’izy ireo ny fasana satria dia olona mipetraka tsy lavitra teo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici