
Nijery ny fandehan’ny fanamboarana ny lalana “voie rapide” mampitohy an’ny lalam-pirenena faharoa sy nyb seranan-tsambon’i Toamasina, ny minisitry ny asa vaventy Rafidison Théodore ny faran’ny herinandro teo. Tamin’izay no nahalalana fa ny 30% ny asa no efa vita hatreto amin’ny lalana 9km sy 866m asiam-panamboarana. Fantatra mantsy izao fa vao maika hiatsara ny famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambo satria ho 800 hatramin’ny 1.200 isan’andro izany amin’ny fahavitan’ny lalana. Tsy hisy intsony ny fotohanan’ny lalana miditra ny seranan-tsambo ka tsy ho tara intsony ny fahatongavan’ny entana amin’ireo mpanafatra izany avy any ivelany. Ny orinasa “Sinohydro” no nahazo ny asa fanamboarana ity “voie rapide” ity. ao anatin’izany koa anefa dia hatomboka avokoa ihany koa ireo fanamboarana ireo lalana potika maro be eto Toamasina, izay atao amin’ny alalan’ny simenitra izany lalana izany. Mahatratra 10 miliara ariary izay vola nalaina tao amin’ny volan’ny FER (Fonds Entretient Routier) no anamboarana izany araka ny fanazavan’ny ministry ny asa vaventy Rafidison Théodore. Amin’ny fahavitan’ny lalana dia mino ny tenany fa hiena amin’izay ireo asan-jiolahy izay manararaotra ireo lalan-tany eto Toamasina ireo, satria hitohy hatramin’io taona 2025 ho avy izao izany fanamboaran-dalana izany.
Malala Didier