- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTolon’ny kandidà :  Efatra nampidirina « urgence »

Tolon’ny kandidà :  Efatra nampidirina « urgence »

Nisy indray ny naratra nandritra ny fifandoman’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny mpanaraka ny kandidà 11 ny asabotsy teo. Raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Hjra dia olona efatra no nandalo teo anivon’ny sampana famelomana aina tao amin’ny hopitaly iadidiany. Ny roa amin’ireo no voa mafy ka tsy maintsy arahi-maso ny fahasalamany ka mijanona ao amin’ny hopitaly. Ny ambiny kosa dia afaka namonjy fodiana rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza. Ny kandidà Ravalomanana, izay isan’ny naratra teo amin’ny faritry ny lohany sy ny tongony, kosa dia voalaza fa tsy nandalo tao amin’ny Hjra. Toraka izany koa ireo mpanao gazety naratra, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny hopitaly hatrany.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici