Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny 1 febroary, fetin’ny sekolin’ny manamboninahitra lefitra ny fankalazana ny faha-58 taonan’ny ENSOA Antsirabe. « Compagnie de Commandement et de l’Instruction, na « C.C.I », no niantsoana ny sekoly tamin’ny taona 1963 niforonany voalohany tao Antananarivo. Ny taona 1985 no nafindra teto Antsirabe ny sekoly. Nampitondraina ny anarana ENSOAP na « Ecole Nationale des Sous-officiers de l’Armée, ary nanomboka ny taona 1994 kosa no nivadika ho ENSOA ka mandraka ankehitriny. Nisy noho izany ny lanonana ara-miaramila ho fanamarihana ny andron’ny 1 febroary, notarihanan’Atoa Jeneraly, lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika. Isan’izany ny famindram-pahefanan’ny lehiben’ny holafy teo aloha sy ny vaovao ary ny fitsofan-drano ny mpianatra ho manamboninahitra lefitra manokana andiany fahatelo ( ESOS III).Ankoatra izay ny fanovana ny fanevan’ny sekoly, fanovana sy fanolorana ny » fanion » hofaly. Taorian’izay niroso tamin’ny fitokanana ny fotodrafitrasa « batiment » telo lehibe sy ny toerana filalaovana « tenis ». Marihina fa sekoly tokana manofana manamboninahitra lefitra eto anivon’ny tafika ny ENSOA. Ny kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra no kaomandin’ny sekoly ENSOA ankehitriny.
Andry N.