- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversENSOA ANTSIRABE : Fotodrafitrasa maro nasiam-panamboarana  

ENSOA ANTSIRABE : Fotodrafitrasa maro nasiam-panamboarana  

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny 1 febroary, fetin’ny sekolin’ny manamboninahitra lefitra ny fankalazana ny faha-58 taonan’ny ENSOA Antsirabe. « Compagnie de Commandement et de l’Instruction, na « C.C.I », no niantsoana ny sekoly tamin’ny taona 1963 niforonany voalohany tao Antananarivo. Ny taona 1985 no nafindra teto Antsirabe ny sekoly. Nampitondraina ny anarana ENSOAP na « Ecole Nationale des Sous-officiers de l’Armée, ary nanomboka ny taona 1994 kosa no nivadika ho ENSOA ka mandraka ankehitriny. Nisy noho izany ny lanonana ara-miaramila ho fanamarihana ny andron’ny 1 febroary, notarihanan’Atoa Jeneraly, lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika. Isan’izany ny famindram-pahefanan’ny lehiben’ny holafy teo aloha sy ny vaovao ary ny fitsofan-drano ny mpianatra ho manamboninahitra lefitra manokana andiany fahatelo ( ESOS III).Ankoatra izay ny fanovana ny fanevan’ny sekoly, fanovana sy fanolorana ny  » fanion » hofaly. Taorian’izay niroso tamin’ny fitokanana ny fotodrafitrasa « batiment » telo lehibe sy ny toerana filalaovana « tenis ». Marihina fa sekoly tokana manofana manamboninahitra lefitra eto anivon’ny tafika ny ENSOA. Ny kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra no kaomandin’ny sekoly ENSOA ankehitriny.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici