- Publicité -
mardi, septembre 22, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsENSOA : Sambany no nandray miaramila vehivavy ny sekoly

ENSOA : Sambany no nandray miaramila vehivavy ny sekoly

Vonona handray ny andraikiny avy hatrany ireo miaramila nahavita fiofanana (sary Andry N)

Tontosa ny Sabotsy 20 jona 2026 lasa teo ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra manamboninahitra lefitra manokana andiany faha IV (ESOS IV) sy ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana CM 1 sy CM 2 andiany faharoa taona 2026.

Mpianatra miisa 199 no naseho ambany faneva, ka ny 36 amin’izy ireo dia vehivavy. Sambany no nandray vehivavy teo anivon’ny Sekolim-pirenena Manamboninahitra Lefitra.

Nahavita fiofanana fototra tahaka ireo miaramila lehilahy ireo 36 vavy ireo, ary mitovy ny fiofanana notanterahina nandritra ny 45 andro mialohan’izao fanehoana ambany faneva izao. Dingana manan-danja tsy maintsy lalovana eo amin’ny lalam-piofanana sy ny fanomanana azy ireo ho lasa mpitarika sy mpanompo ny firenena eo anivon’ny tafika Malagasy.

Ankoatra izay, navoaka tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ireo mpiofana CM 1 sy CM 2 andiany faharoa taona 2026, izay nahitana mpiofana miisa 486. Handray ny andraikiny avy hatrany ireo miaramila ireo, amin’ny fanatanterahana ny iraka ankinina aminy.

Teo amin’ny place d’armes an’ny Sekolim-pirenen’ny Manamboninahitra Lefitra (ENSOA) no nanatanterahana ny lanonana ara-miaramila. Nanome voninahitra ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika, ny jeneraly Pikulas Démosthène. Nambarany tamin’ny fandraisam-pitenenany fa toeram-piofanana ny sekoly fa tsy fakana grady, fahaiza-manao no andrasana amin’ny Tafika Malagasy, ary tsy miaramila mikavivavy fa miaramila vonona ho an’ny tanindrazana.

Andry N.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici