Famantarana no reharehan’ny sekoly ny faneva, marika ny fahaleovan-tena, ny fiandrianam-pirenena ny hasarobidiny. Aorian’ny fanolorana ambanay faneva no antsoina hoe miaramila ireo mpiofana. Tsy mora ny dingana vao tonga amin’izany fanolorana ambany faneva izany fa maro ny sedra lalovana ary tsy vitan’ny kely fofonaina.
Telo volana ny fiofanana fototra, nampahafantarana ny andraikitra, sy lalana mifehy ny miaramila, toy izany koa ny fitondrana tena mendrika sy fihetsika rehetra tokony arahina. Rehefa tafita amin’ny miaramila izany dia aseho ambany faneva izy ireo ary misalotra ny anarana miaramila.
Tontosa ny Alarobia 18 Matsa 2026 lasa teo ny fanolorana ambany faneva ireo zazavao miisa 131mirahalahy avy amin’ny antokon-taona 2025 andiany faharoa, zatovolahy miisa 61 ho an’ny ENSOA raha toa ka 70 kosa ho an’ny Akadamia Miaramila.
Noho ny fanamboarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny “place d’arme” akademia dia voatery tao amin’ny ENSOA no nanatontosana ny lanonana ara miaramila izay notarihan’ny kaomandin’ny Akademia miaramila ny Jeneraly Ratsarahevitra Andrimisetra sy ny kolonely Razafitombo Leva Naina, kaomandin’ny ENSOA.
“Aoka ho mendrika ianareo, tsy handiso fanantenana fa izany no nanoloranareo tena ho an’ny tanindrazana”, hoy kaomandin’ny sekoly manam-boninahitra ACMIL, any ivelan’ny vala ny fiarian’ny jiolahy fa tsy anaty toby hoy izy nanamafy nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Andry N.




