- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversEntana hosoka miparitaka : Nidina an-tsehatra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa

Entana hosoka miparitaka : Nidina an-tsehatra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa

Tena miparitaka etsy sy eroa tokoa ny entana hosoka. « Efa nahatratra izahay,  na menaka izany na koa lafarina ary efa nanao tatitra izany tany amin’ny manampahefana saingy ny tsikaritra dia votsotra hatrany ireo mpanao ratsy ary tsy mety tratra mihitsy ny tena atidoha mikotroka ireo fanaovana hosoka ireo » raha araka ny fanazavan’i Eugène Ratsimbazafy, mpiaro  ny zon’ny mpanjifa. Manoloana ny zava-misy dia miantso ny mpanjifa mba ity mpitarika sy mpiaro ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity mba hividy sy hanjifa ny entana vita malagasy ihany. « Tsy misy afa-tsy izany no azo antoka ankehitriny ary aoka mba ho mailo manoloana  ireo entana hosoka izay miparitaka. Etsy ankilan’izany, ny entana vita malagasy ihany koa no tokony jifain’ny malagasy mba tsy hamonoana ny mpandraharaha malagasy», hoy hatrany i Eugène Ratsimbazafy izay nanamafy fa « raha ny menaka manokana, efa nisy ny fidinana ifotony sy fanamarinana natao tany amin’ny orinasa malagasy mpamokatra izany ary voamarina fa tompmbana sy manara-penitra ireo menaka ». Any amin’ny mpanao hosoka noho izany no mila manao ezaka ny ministera sy ny mpitondra mba hahatratrana azy ireny sy hiadiana amin’ny tsy fiparitahany eny amin’ny toeram-pivarotana rehetra eny. Nisy ny fanentanana nataon’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa teny Analakely sy ny tsena manodidina omaly mba hanajan’ny mpivarotra ny fahadiovana sy hialàna amin’ny fanao ratsy izay mety hiteraka fahapoizinana ara –tsakafo. Tafiditra tao anatin’ny fanentanana ny tokony hisian’ny vitrine sy ny rano hanasana tsara ny tanana sy ny lovia izay ampiasaina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. misaotra sy mankasitraka anao solo tena sy miparo ny zon’ny mpanjifa. Tsy haleo ve jerena tsara hoe iza ni importateur an ‘ireny menaka en vrac izay atao mise en bouteille eto dia any ampotony any no jerena fa tsy ny « épicerie » kely sy mpanao hotely kely etsy sy eroe no henjehina amin’ ny kibay satria tsy any ilay zavatra tsy mety. efa manerana an’ny faritra maro ve ilay izy dia santria nifanaraka ny ny « epicerie » rehetra hoe handao hanapoizina ny mpiara belona sanatria. Haleo ny « importateur  » sy ny mpanao mise en boeuteille eto no jerena ny circuit iray manontolo indrindra ny « fiavian ‘ireo menaka ireo’ dia ho hitanao ny marina. Tena mbola matahotra mafy aho heo mbola mandehadeha any « io menaka  » izay mamparary sy mahafaty io…mivavaka mafy isika mba efa lany ilay « lot » an io satria sao dia mbola misy faritra hafa koa tratra dia izay no hanahirana antsika eto. Samia ho tahin ‘ny Tompo isika rehetra, ianareo mpitondra anay, ianareo nofinidinay, ianareo misolo tena anay sy izahay rehetra hentina. Misaotra tompoko

  2. Mon Dieu Tout Puissant, protéger notre Pays de tous les individus malintentionnés qui veulent anéantir le vahoaka malagasy

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici