
Ny fondation AXIAN, ny fikambanana KOZAMA ( Kolo zaza Malagasy ) ireo ny mpiara miombon’antoka nahavitana ny fanavaozana ny Epp Garbit.
Nahazo efitran-tsekoly vaovao sy toeram-pisakafoanana, toeram-pivoahana mampiaty sy ara pahasalamana, niampy kianja basket ball ny sekoly avy tamin’iretsy farany.
Ny datin’ny 8 Desambra lasa teo no nanokanana ireo foto-drafitrasa vaovao ireo tamin’ny fomba ofisialy.
Marihina fa tamin’ny volana Jolay 2023 no efa vita ny fanaovan-tsonia mahakasika ny fifanaraham-piaraha miasa teo amin’ireo mpiara miombonantoka ireo sy ny fanjakana izay misitraka ny tombontsoa. EPP miisa 15 no voakasika tamin’izany, isan’ny efa nisitraka izany ny EPP Karmaly sy ny EPP Mahazoarivo II tamin’ny volana oktobra lasa teo.
Tsy eo amin’ny lafiny fanavaozana ny fotodrafitrasa ihany moa no niantsoriahan’ireo mpiara miombon’antoka fa nitondra fampitaovana ny sekoly ihany koa izy ireo.
Nandritra ny fanokanana no nanambarana fa manomboka izao dia tsy mitondra ny anarana EPP Garbit intsony ity sekoly ity fa novana ho EPP Avenue l’indépendence.
Andry N.