« Andefaso message za hoe HIDITRA ra vonona enao » ; « misy sarany kely ». Izany ankehitriny no hita ao anaty tambajotra sosialy facebook ary miparitaka ohatry ny anana ny sary. Dia tena misy horonan-tsary tokoa mipoitra rehefa mandoa vola indraindray. Matetika ireo tena mbola tanora no iharan’izany. Mazava fa ireo izay mivaro-tena avy amin’ny fanaovana horonan-tsary no tena ianjadian’ireo bizna. Izany hoe, mieritreritra ireo olona fa any amin’ny mpanjifa vahiny mivantana ny zavatra ataony no mandeha. Diso anefa izany satria misy mirakitra eo anelanelany ary mivarotra ilay horonan-tsary izay lasa miparitaka avy eo « ho an’izay manome sarany kely ». Dia ao ny afa-baraka, ao kosa ny sasany mba misy tampenana ihany ny maso saingy tsy ilaozan’izay tsy misy mpahafantatra. Ao koa anefa ny misy horonan-tsary tsy mitombona mihitsy satria ny loha no soloina hafa. Izany rehetra izany no lasa fitadiavam-bola hafakely ary tsy mendrika kanefa mandeha ao anaty tambajotra sosialy. Tsy misy fanajàna ny fiainana manokan’ny olona intsony ary lasa mamotika tanteraka ny hoavin’ny sasany. Feno izany ao ary tsy misy fatahorana mihitsy ny mba hoe misy manenjika. Raha izany mantsy dia mba miovaova anarana mba tsy ahitàna azy haingana saingy tsy izany no misy. Etsy andanin’izany koa, feno ny fivarotan-tena eo amin’ny tambajotra sosialy. Tsy misy miafina intsony izany ao anaty vondrona maro. Misy hatramin’ny sarany sy toerana hahitàna azy aza. Mbola endrika bizna hafa koa izany ary mitady ho lasa malalaka. Raha misy fepetra maika dia ho olona maro no voasambotra noho ny fihetsika mamoafady ankalamanjana, fivarotan’olona, tsy fanajàna ny fiainana manokana. Voafaritra ao anatin’ny lalàna famaizana sy ny lalàna mifehy ny heloka amin’ny tranonkala avokoa izany rehetra izany.
D.R