- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFacebook : Nosamborina ny mpandrindra ny "Jeunes Toliara Miray"

Facebook : Nosamborina ny mpandrindra ny « Jeunes Toliara Miray »

Isan’ny vondrona nahavory olona be indrindra ao anatin’ny tambajotra sosialy Facebook ny JTM na Jeunes Toliara Miray. Ao no hifampizaràn’ny zakak’i Toliara vaovao sy hifanakalozan-kevitra. Maro no taitra omaly raha nandre ny fisamborana ny mpandrindra ilay vondrona izay ikambanan’ny kaonty efa ho 100.000. Tany Ambovombe izy no nomena taratasy fampiantsoana mba hanatona ny polisy noho ny raharaha manokana ilàna azy. Raha ny fanampim-baovao azo dia nentina niakatra ao Toliara izy rehefa vita ny fihainoana voalohany tany Ambovombe. Tsy mbola nisy vaovao ofisialy mahakasika izay tena antony nitazonana an’ity tanorana antsoina hoe Herman Rakotomalala ity fa raha araka ny tsilian-tsofina re dia noho ny fanehoan-keviny izay niendrika fanakianana ny kianja manara-penitra izay natao tao an-toerana no anton’izany. Ny vondrona izay nokirakirainy koa tamin’ny tambajotra sosialy dia tsikaritra fa efa nohidiana avy hatrany. Mpiasan’ny vondron’ny firenena mikambana ao Ambovombe izy ary noentina niakatra omaly tao Toliara. Raha ny angom-baovao azo tao Toliara dia ny fanaratsiana ny kianja Maître Kira izay fotodrafitrasam-panjakana no tena nanenjehana azy. Nisintona ny sain’ny olona marobe, indrindra ireo mpampiasa facebook, ity raharaha ity. Mandindona ity mpiantsehatra amin’ny tambajotra sosialy ity ve ny fonja? Arahina ny fivoaran’ny raharaha.

D.R 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici