Mirongatra indray ankehitriny ny fizahantany mamoafady eto amin’ny Nosy. Hita miparitaka eny amin’ireo tambajotram-pifandraisana toy ny « facebook » indray izao ny rakitsary maneho fanadihadiana teratany vahiny iray izay mampitady vehvavy gasy vonona ny hanao firaisana aminy amin’ny tambim-bola 20.000ar. Voalaza ao anatin’io « vidéo » io avokoa ny mombamomba ilay vazaha sy ny anton-diany eto Madagasikara. Nilaza mazava ny tenany raha nohadihadiana fa teratany eoropeana ary efa misotro ronono, izy izay efa mananika ny 75 taona mahery. Nanao fialan-tsasatra nandritra ny fotoana elaela tao Nosy Be izy ary tapakevitra fa hifindra hanorim-ponenana aty Madagasikara. Mbola mandray « pension » mitentina 1.000 euros, izany hoe 3 tapitrisa sy 6 hetsy ariary, isambolana ny tenany. Nambarany ihany koa fa rehefa nipetraka teto Madagasikara izy dia mbola niakatra avo 6 heny ihany koa ny fari-piainany. Anisan’ny itiavany an’i Madagasikara, hoy izy, ny hakantony sy ny firindran’ny fiaraha-monina eto amintsika. Etsy ankilany, tsy nisalasala ihany koa izy nanambara fa eto Madagasikara no mety ahavitany ny reviny ara-nofo miaraka amin’ny tanora vavy satria ireo vehivavy teratany « belge » latsaky ny 50 taona dia efa tsy misy miherika aminy intsony. Any Belgique, hoy hatrany ny tenany dia tsy ho ampy azy velively izany « pension » raisiny izany raha haka mpivaro-tena izy. Tamin’izany no nahafantarana fa efa tanora vavy maro no efa nanaiky ny fangatahany raha notambazany 20.000ar. Misy aza, hoy izy ireo, mbola latsaky ny 18 taona, izay nomarihany fa tena ankafiziny tokoa. Maro amin’izy ireo no faly sy afa-po, hoy hatrany ny lehilahy. Izany rehetra izany no nambarany tsy am-pihambahambana tamin’ny tarehy tsy mitakona manoloana ny mpanao gazety nanao ny fanadihadiana tao anatin’ity « vidéo » ity. Hatramin’ny fotoana nanoratanay dia efa manodidina ny 22.472 ireo mpiserasera « facebook » efa nahita ity rakitsary ity. Ny ankamaroan’izy ireo, eny fa hatramin’ny teratany vahiny toa azy aza dia naneho ny hatezerany manoloana ity vazaha izay hita sy tsapa fa tena manararaotra ny fahantran’ny Gasy. Amin’izy ireo dia tsy azo ekena ny toy izao fa mampirongatra ny fizahantany mamoafady ary koa manosika ireo tanora vavy sahirana hivarotra ny tenany.
Niony H.