Ny 13 aogositra hoavy izao ny fankalazana ny faha 18 taona nijoroan’ny Rhéfi eto Madagasikara no ho tantetahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Azo lazaina ho efa mipetrapetra avokoa ny fandaminana rehetra ary efa anatin’ny fanomanana farany ireo tomponandraikitra rehetra izay ahitana Pasitera 500. Mivory tsy ankijanona ireto mpikarakara ny fankalazana ireto mba ho tomombana araka ny tokony ho izy ny fandraisana ireo mpino rehetra manerana an’i Madagasikara. Manantena ny fahatongavan’ny zato isanjaton’ireo mpino avy eto amin’ny Grand Tana izy ireo. Nohamafisin’ireto mpikarakara ny hetsika ireto koa fa efa vonona ny trano handraisana ireo avy any amin’ny Faritra izay nomena safidy malalaka izy ireo amin’izay tiany toy ny hotely lehibe na ny fiangonana. Teny faneva amin’io moa ny hoe « Vavaka mandrava sakana » ka asaina araka izany ireo olona rehetra hahatsapa fa hiova tanteraka ny fiainana rehefa hoentina ambavaka. Noho ny toetrandro izay mangatsiaka dia ahemotra amin’ny volana oktobra hoavy izao ny batisa faobe izay saika notanterahina tamin’ity volana jolay ity. Araka ny nambaran’ny filohan’ny filankevim-pitantanana ny Rhéfi Madagasikara Randrianaivoravelona Adolphe dia efa « vonona tanteraka na ny fandraisana, na ny fitandroana ny filaminana rehetra, ary afaka tonga daholo ny mpanao politika rehetra fa kosa araka ny fandaminana dia tsy afaka mandray fitenenana ho fitandroana ny hasin’ny fiangonana mba tsy ho fitaovana politika indray ».
T.M.