Delegasiona manodidina n 40 isa, mpanao gazety avy ao Alaotra Mangoro no tonga teto Antsirabe nanamarika ny 3 May, andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nisy ny valandresaka narahina adihevitra mahakasika ny loahevitra « manorina ny ho avy anaty fandriam-pahalemana » niarahan’ny mpanao gazety avy eto Vakinankaratra sy Alaotra Mangoro ankoatran’ny fampahafantarana sy fifanakalozana ny samy mpanao gazety. Ankoatra izay, ny fifampirazana traikefa amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety. Ho an’Antsirabe manokana, nisy dinika nifanaovan’ny mpikambana hentina hanatsarana sy hanatanterahana ny asa anaty fandriam-pahalemana. « Miray feo » fandaharana manokana niraisan’ny onjam-peo rehetra teto Vakinankaratra, nifandiambiasan’ny mpanao gazety rehetra na an-tsoratra na haino vaky jery sy ny mpandefa vaovao anabaka (presse en ligne) tamin’ny alalan’ny fanentanana sy adihevitra mahakasika ny loahevitra. Niray feo kosa ny mpanao gazety ary nahatsapa fa na nisy aza ny fiakaran’ny laharan’ny Madagasikara amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety dia hita fa mbola marefo ihany izay fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay noho ny resaka politika sy tsindry mahazo ny mpanao gazety eo ampanatanterahana ny asany.
Andry N




