- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFahasarotam-piaro diso tafahoatra : Novonoiny ho faty ny vadiny fa tafody alina

Fahasarotam-piaro diso tafahoatra : Novonoiny ho faty ny vadiny fa tafody alina

Lehilahy iray no voatery naiditra am-ponja vonjimaika teo noho ny vono olona niniany natao. Olona izay tsy iza fa ny vady andefimandriny ihany ! Zava-nitranga ny faram-paran’ny volana lasa teo tany amin’iny distrikan’Antanifotsy iny.

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia voalaza fa diso saro-piaro loatra amin-dramatoa vadiny ity lehilahy ity, izay monina ao Amorona, kaominina ambanivohitra Antsahalava. Hany ka vitany hatrany ny mampihatra herisetra aminy raha vao tratrany manao fihetsika hafahafa ilay ramatoa. Tamin’io fotoana io dia nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa nisy dia nalehan-dramatoa. Tratra alina tany amin’io diany anefa ity renim-pianakaviana ity ka taraiky vao tonga tao an-trano. Efa niandry azy tamin-katezerana rangahy tamin’izay fotoana izay. Nisy arak’izany ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta ary tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana, daroka isan-karazany mihitsy izany. « Nanamparany ny sandriny sy heriny ravehivavy » hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Vokany, tsy nahatsiaro tena ary naratra mafy ilay vehivavy, izay tsy afa-nanao inona teo anatrehan-drangahy fa dia niharitra hatramin’ny farany ny herisetra  nianjady taminy. Ireo manodidina no nihantra ity vehivavy ary nitondra azy malaky tany amin’ny toeram-pitsaboana. Indrisy anefa fa tsy tody tany amin’ny toerana tokony hitondra azy akory ity vehivavy 24 taona ity dia namoy ny ainy, vokatr’ireo ratra sy vono nahazo azy. Teo ho no eo ihany moa dia nampandrenesina ireo zandary miasa any any amin’iny faritra iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ary tonga tany an-tranon’izy ireo hisambotra ilay lehilahy, 28 taona mpamono vady. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia hoe efa niomana tanteraka ny hitsoaka ranamana saingy efa mailo ireo mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny. Taorian’ny fakàna am-bavany azy moa dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha. Nanapa-kevitra avy hatrany ireo mpitsara mpanao famotorana ny hampiditra azy am-ponja vonjimaika, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna.

Marina tokoa fa hoe « izay tia, sarom-piaro » saingy rehefa diso tafahoatra indray izany lasa fitiavan-tena ary mety ahatongavana amin’ny toe-javatra tahak’izao …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici