- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversFahavetavetàna naseho Facebook : Nadoboka eny Tsiafahy i « Lee Stuven L....

Fahavetavetàna naseho Facebook : Nadoboka eny Tsiafahy i « Lee Stuven L. C. »

Voasambotra ny zoma hariva teo rehefa nifampitadiavana ny marainan’io. Omaly efa somary hariva no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay tovolahy fantatra amin’ny anarany anaty FB hoe « Lee Stuven Landot Craya». Tsy nisalasalan’ireo mpitsara mpanao famotorana ny nandray fanapahan-kevitra nampidoboka azy am-ponja eny … Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Tsiahivina fa nisy ny fandraisana andraikitra avy hatrany nataon’ireo mpitandro filaminana nanoloana ny sary sy ny horonantsary nalefan’ity tovolahy ity tao anaty tambajotra sosialy. Naparitaka teo no ho eo avy hatrany ny filazàna fampikarohana azy ary tsy niandry ela dia voasambotra ny lehilahy rehefa nampiseho ny fahakingany ireo sampan-draharaha isanisany eo anivon’ny zandary. Notanana natao andrimaso ny harivan’ny zoma teo ihany mba hatao famotorana, ary io izy natolotra ny Fampanoavana io omaly. Nandritra ny fakàna am-bavany azy no niaikeny tsara ny zavatra nataony. Nanambara ireo mpanao famotorana fa vesatra telo no nanenjehana azy : fanolanana sy fanararaotana ara-nofo zaza tsy ampy taona, famoronana sy fanaparitahana sary mamoafady maneho zaza tsy ampy taona, fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Voalaza ihany koa aza fa mpiray vondrona amin’ireo olona mpizara horonan-tsary mamoafady ny tovolahy. Marihana moa, araka ny fampitam-baovao hatrany, fa tsy manana rohim-pihavanana aminy ilay zaza nasehoany an-tsary fa mpifanolo-bodirindrina fotsiny ihany. Ity zaza ity dia efa naverina eny anivon’ny ray aman-dreniny ary efa manaraka fitsaboana sahaza azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici