- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny ambanivohitra : Vita hatreo ny tantaran’Iarisy !

Fakàna an-keriny ambanivohitra : Vita hatreo ny tantaran’Iarisy !

Nandritry ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly tetsy Ankadilalana no nanambaran’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa maty voatifitra i Randrianarisoa Elysé, ilay dahalo rain-dahiny, nalaza ratsy tamin’ny resaka fakàna an-keriny, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Iarisy.

« Aleo hifindra toerana ny tahotra. Aoka tsy ho ny vahoaka intsony no hirohoro fa mba ireo olon-dratsy amin’izay », io no nanombohan’i Kapiteny Andriambelonaina Safinidiavo Toky, kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central ny resaka omaly, tetsy amin’ny tobin’ny fiadidiam-paritry ny zandary eto Antananarivo. Tanjona napetraky ny zandamariam-pirenena izay toa hampisy tsirim-panantenana ho amin’ny filaminana, indrindra fa ho an’ireo eny ambanivohitra.  Tato ho ato tokoa mantsy dia nanjary toa niaka-dapa indray ny resaka fakàna an-keriny. Tranga izay mateti-piseho, indrindra fa tany amin’iny distrikan’Anjozorobe sy faritra Alaotra Mangoro iny.

Ary rehefa miresaka fakàna an-keriny, dia mby tonga ao an-tsaina avy hatrany ilay mpandimby an’i Del Kely : Iarisy ! Efa am-bolana maromaro teo ho eo no nikarohana sy nanaovana hazalambo an’ity farany, indrindra moa fa taorian’ilay vono moka sy faty nikararana, nitranga tao Ambolotarakely Ankazobe, ny taon-dasa teo, izay izy no fantatra fa tompon’antoka.

Ny faran’ny herianandro teo, nivaly ny rà nalatsany. Maty voatifitra tao anaty fifandonana ingahy. Na izany na tsy izany anefa, mbola nahavita nandatsak’aina olona dimy izy, talohan’izao nahafaty azy izao. Araka ny fanazavana azo tokoa mantsy, dia tonga nanafika toy ny fanaony tao amin’ny tanana antsoina hoe Amboara, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Anativolo, distrikan’Anjozorobe ny lehilahy sy ny ekipany. Fanafihana niendrika valifaty ihany teo aminy sy ireo « Zazamena » satria dia tsy nisy omby lasa tamin’izay fotoana izay. Olona efatra no maty, araka ny tatitra azo hatrany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo niharam-boina ary rafitra nanao ny fanarahan-dia sy ny fanapahan-dia, ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritra Antanetibe, nampian’ny teo anivon’ny Tafika sy ireo fokonolona. Nifankatratra teo amin’ny toerana antsoina hoe Soarano, ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Antanetibe Anativolo ny roa tonta. Raikitra ny fifandonana. Nisy iray maty voatifitra taty amin’ny ankolafin’ireo mpanara-dia. Nisy roa voatifitra kosa tamin’ireo mpanafika, izay nentin’ireo namany nitsoaka.

Tao anaty maizina moa ka tsy nisy nifankafantarana intsony. Nisoamaritaka tamin’ny famonjena ilay maty taty amin’ny lafin’ny fokonolona rahateo ireo mpanara-dia. Ny alahady vao maraina teo, nandritry ny fisavàna ny toerana nisian’ny fifandonana no nahatsikaritra olona maty nolanjain’olona ny mpitandro filaminana, handeha hihazo an’i Belavabary, Ambatomanoina. Fantatra fa isan’ireo olon-dratsy voatifitra ny omalin’io ity nolanjaina ity. Rehefa natao ny fitsirihana ny razana dia hita fa ilay jiolahy rain-dahiny, efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana izany, izay tsy iza fa i Randrianarisoa Elysé, fantatra amin’ny hoe Iarisy. « Mora fantatra ny endriny. Izy rahateo manana kilema teo amin’ny tongony » hoy ny fanazavana azo. Vita hatreo araka izany ny tantaran’Iarisy ! « Ny azy anefa no vita fa ny ady amin’ny tsy fampandriahalemana mbola mitohy ary hanentanana hatrany ny fiaraha-miasa aminareo fokonolona »  hoy hatrany ny teo anivon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici