- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny : Jiolahy fito maty voatifitra tany Amparafaravola

Fakana an-keriny : Jiolahy fito maty voatifitra tany Amparafaravola

Tsy nandrasana ela ! Vao voamarina ny vaovao dia nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro, notarihin’ireo kaomandin’ny vondron-tobim-paritra roalahy : Moramanga sy Ambatondrazaka. Nisy ny vokatra. Fito tamin’ireo jiolahy rain-dahiny amin’ny fakàna an-keriny, sy mpampihorohoro iny faritra Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka ary Bongolava iny no lavo, sy tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony, omaly. Fitaovam-piadiana mahery vaika fito be izao no tra-tehaka tany amin’izy ireo, niaraka tamin’ny ody gasy maromaro sy rongony. Tamin’ny alalan’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana, dia nisy ny fanomezam-baovao azon’ireo zandary mahakasika ny firiariavan’ireo olon-dratsy, efa ela karohina, mpitarika ireo olon-dratsy mpaka an-keriny tany amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo. Avy any Tsaratanana ireto andian’olon-dratsy ireto, raha ny vaovao azon’izy ireo ary nikasa ny hiditra ny faritra Alaotra Mangoro, tao Ambihikely kaominina Ranomainty ary mizotra mihazo an’i Maheriara, Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola. Nosakanana avy hatrany ny mety ho lalan’izy ireo ary ireo nanao bemidina tany an-toerana ireo, ny zandary. Tao amin’ny toerana Ampasamalama, fokontany Andranomafasika, kaominina Ambodirano no nifanehatra tamin’ireto andian-jiolahy ny zandary, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany maraina tany ho any. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana, satria raha vao nahita ireto zandary ireto, ireo olon-dratsy, avy hatrany dia nanao nitifitra variraraka. Naharitra fotoana maromaro ihany ny fifanjevoana, ary niafara tamin’ny fahalavoan’ireo jiolahy miisa fito ireo : Rakipikipy, Lesavaka, Bekalaky, Kapitsany, Lejiva, Lesola ary Balamaso. Misy ny naman’izy ireo tafatsoaka taorian’ity fifandonana ity ary efa mandeha ny fikarohana azy ireo. Nanome toky moa ny teo anivon’ny zandarimaria fa “hikaroka sy hamongotra hatramin’ny fakany ireo rehetra mbola minia ka hanakorotana ny fiainana andavan’andron’ny olona amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana fa indrindra ny fakana an-keriny”

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici