Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fahavotsoran’ireo olona nalain’ny jiolahy an-keriny tany Tsaratanàna ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana fa niroso hatrany tamin’ny fanadihadiana hikarohana ireo olon-dratsy.
Fantatra ary izao fa olona fito hatreto no voasambotra, raha ilay raharaha tao Brieville. Vehivavy ny telo tamin’izy ireo. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny zandarimariam-pirenana dia mpiray tambajotra amin’ireo mpaka an-keriny ireto voasambotra ireto fa tsy mbola ireo nandray anjara nivantana tamin’ity fakàna an-keriny ity akory. Araka ny loharanom-baovao hatrany mantsy dia mpampiantrano sy mpanafina ireo mpiasa efa-dahy notànana an-keriny ireto olona ireto. Misy amin’izy ireo ihany koa ireo irakiraka, mpandeha mpividy zavatra tany an-tanàna toy ny fahana amin’ny finday niantsoan’izy ireo amin’ilay fitakiana vola.
Etsy andanin’izay kosa dia fantatra fa salama vatana sy saina ireo efa-dahy mpiasan’ny orinasa Kraoma ireto, izay vao votsotra andro vitsivitsy lasa izay. Ny sabotsy teo no noraisin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny birao fiasàny teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha, izy efa-dahy mianaka ireto. Tazana niaraka taminy ihany koa ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ilay orinasa mpitrandraka sy ny Ministry ny harena an-kibon’ny tany. Nisy ny fiarahabana sy fankaherezana azy ireo sy ireo fianakaviana tamin’izany, nataon’ity tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny Firenena ity.
Fa ankoatra azy efa-dahy ireto moa dia nisy ankizivavy iray vao 16 tao monja ihany koa nisy naka an-keriny tany an-toerana, ny alahady 22 jolay teo. Efa votsotra ity farany rehefa nandoavana volabe, toy ireo efa-dahy ihany ary niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny sampana fikarohana heloka bevava teo Mahajanga. Fantatra ary vehivavy roa no tao ambadik’izay, niaraka tamina roalahy namany hafa. Efa voasambotra ireo vehivavy ny sabotsy lasa teo. Ny iray dia mpanome vaovao fotsiny avy eo an-tanàna ary ny iray dia isan’ireo nandray anjara nivantana. Mbola eo am-pikarohana ireo roalahy hafa kosa ny zandary amin’izao fotoana izao.
m.L