Ny sabotsy alina teo no fantatra fa navotsotr’ireo olon-dratsy nitazona azy ireo efatra mianadahy, zanaka mpandraharaha iray ao Andramy, Maevatanana faharoa, rehefa notazomin’ireo olon-dratsy herinandro teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana dia vola manodidina ny 10 tapitrisa ariary teo ho eo no nomena ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, tany amin’izany tanana manakaiky an’i Marokoro izany no nifanarahan’ny roa tonta fa hanolorana ny vola ary handefasana ireo zaza lasa an-keriny. Mpiara-monina tamin’ireo fianakaviana no nitondra ilay vola tamin’io fotoana io. Avotra soa aman-tsara araka izany izy efatra mianadahy ireto ary efa tonga soa, tsy naninona teo anivon’ny tokatranon-dray aman-dreniny.
Raha ny loharanom-baovao hatrany dia tsy nipetra-potsiny tamin’ity raharaha ity ireo mpitandro filaminana, eny fa na dia teo aza ny safidin’ireo fianakaviana ny tsy hampandre azy ireo, noho ny fandrahonana nataon’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Tamin’io fotoana nisian’ny fifanakalozana io mantsy dia voalaza fa efa nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ilay toerana ireo mpitandro filaminana. Omaly maraina teo dia efa-dahy nampiahiahy no nosamborina avy hatrany. Rehefa natao tokoa ny fanadihadiana ka naseho ireo ankizy voatana an-keriny izy efa-dahy dia nohamarin’izy ireo fa isan’ireo olona nitazona azy tokoa ireto voasambotra. Noterena hilaza ny namany ireto farany ka nisy olona telo hafa nosamborina taorian’izay. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany hikarohana ireo olon-dratsy. Raha tsiahivina mantsy dia teo amin’ny 20 lahy teo ireo mpaka an-keriny no nanao latsaka alina naka ireto ankizy ireo tao amina tobim-bolamena iray tsy lavitra an’Andramy.
m.L / Ratantely