- Publicité SW45 -
vendredi, novembre 8, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFako nanapa-dalana tetsy Anosipatrana : Namorona asa vetivety ho an’ireo mpibata môtô

Fako nanapa-dalana tetsy Anosipatrana : Namorona asa vetivety ho an’ireo mpibata môtô

« Noana izahay, tsy misy hohanina. Tsy aleonay manao an’izao toy izay hanao ratsy ! ». Andian-jatovo maromaro no nahita hevitra vetivety hitadiavam-bola tetsy Anosipatrana, nanomboka ny harivan’ny talata lasa teo. Taorian’ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra, handraofana ireo fako nisavovona nanakana iny lalan’ny Digue teny an-toerana iny mantsy dia notapahana, tsy azo naleha intsony izany lalana izany, nanomboka tamin’io fotoana io ary nitohy hatramin’ny omaly, noho ny fisian’ireo « engin » maromaro miasa eo an-toerana. Raha ho an’ny fiara tsy dia afaka ny handeha mihitsy saingy ho an’ireo kodiaran-droa dia mbola afaka misisika ihany, saingy tsy maintsy bataina, hiakatra eny ambonin’ny fefiloha ny môtô na ny bisikleta rehefa tonga eo amin’ilay faritra misy ireo « engin ». Izay « batabata » izay nampitsiry hevitra an’ireo andian-jatovo maromaro teny an-toerana ireo ka manampy ireo mpitondra môtô amin’ny fampiakarana sy fampidinana izany fitaovana izany. Izay foy no hangatahan’ireto farany amin’izany. Nandritry ny minitra maromaro nijanonanay teny an-toerana dia efa môtô am-polony maro no nobataina sy nampidinina teny an-toerana. Ary tovolahy manodidina ny dimy na enin-dahy isaky ny môtô no mifanrimbona mampiakatra amin’izany. « Saika tanora tsy an’asa ety amin’ny manodidina avokoa izy ireo ary hifampizarana ny vola azo rehefa hariva. Sitrany ahay vaza-mihetsika fa zara aza misy an’izao » hoy Atoa Rolland, mpandray izay foy omen’ireo mpitondra môtô. Efa valonam-bola misimisy ihany no tazana teny an-tanany …

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici