
Miasa anaty tambajotra kely ireto andian’olon-dratsy ireto. Ny sasany mpijirika ny fiara izay horobaina ka ny fanamafisam-peo sy ny fandefasana izany (autoradio) no tena manintona azy ireo voalohany. Raha mbola manana fotoana izy ireo aorian’ny fangalarana an’izany dia alaina indray ny vatoaratra (batterie). Misy koa ao anatin’ilay tambajotra ny mpamaky fotsiny ny fiara ary ny sasany dia mpamatsy ny lakile « passe-partout » izay mahavaha ny karazam-piara maro. Tamin’ity indray mitoraka ity, ny alatsinainy teo, dia nisy nahatsikaritra ny tovolahy iray izay nihaodihaody teo amoron-dàlana teo Anjanahary. Iny tokoa fa raha vao nangingina kely ilay toerana dia iny izy no namonjy ilay fiara ary namaha tsimoramora ny varavarana tamin’ilay lakile teny aminy. Ny tsy fantany dia ny tompon’ny fiara mihitsy no efa mailo ka nanara-maso azy tanteraka. Niantso ny polisy manao fanamiana izay tsy lavitra teo izy ary dia raikitra avy hatrany ny fisamborana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana rehetra dia nanondro ny namany izy ary ireo mpamatsy ireo fanalahidy no tena notazominy ho mpiray tendro aminy. Teny Ambohitrarahaba ny roa lahy izay manam-pahaizana amin’izany lakile izany no nosamborina. Fantatra koa fa vao vita ny « opération » dia eny amin’ny manodidina an’Ambohitrarahaba ihany izy ireo no mivarotra ny entana halatra. Nidoboka am-ponja avokoa izy telo lahy rehefa natolotra ny fampanoavana omaly.
D.R