- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFametahana afisy misy ny sarin’i Andry Rajoelina : Notanana am-ponja vonjy maika...

Fametahana afisy misy ny sarin’i Andry Rajoelina : Notanana am-ponja vonjy maika ao ambatavoahangy ireo roa lahy voasambotra

Samy manana ny fandikany azy ny zava-nitranga ny herinandro teo teto Toamasina, mikasika ireo afisy nipetraka tetsy sy teroa izay misy ny sarin’ingahy Rajoelina Andry sy misoratra hoe “Andry Rajoelina Prezida”. Ho an’ny Mapar dia fomba ratsy entina haminganana ny filohan’ny IEM izay efa nametraka ny maha-kandida ho filoham-pirenena azy izao zava-nitranga teto Toamasina izao. Ho an’ny mpanao politika hafa nanontaniana kosa dia misy “mpamosavy malemy” ao anatin’ny Mapar ka ny tanjona ny hampisy korontana alohan’ny fifidianana amin’ny fanasoketana ny antoko hafa ho mpaniraka sy mampanao izao. Efa nisy aloha tovolahy roa voasambotry ny polisy ny alakamisy alina teo am-pametahana ireto afisy ireto tao Anjoma, efa nanao ny asany naka am-bavany azy ireo ny polisy saingy sarotra ihany ny raharaha noho fahamaizanan’ny lalana mikasika ny tranga nisy n any lalam-pifidianana izany na ny lalana momba ny ady heloka tsotra, satria olona voahiraka noho ny fifanarahana teo amin’izy roa lahy sy ireo naniraka azy ireo izay tsy fantatra izy roa lahy akory; izay no tsy nahavitan’ny fandinihan’ny fampanoavana ny raharaha ny zoma tolakandro izay voatery natao ny sabotsy ny fandinihana ny raharaha. Na sarotra aza ny raharaha noho resaka lalana dia nandray ny fanampahan-kevitra ihany ny fampanoavana nampiditra azy roa lahy am-ponja vonjy maika, ka natao ilay antsoin’ny fitsarana hoe “RI” ny raharaha, izany hoe sady fakana am-bavany no fitsarana no hatao azy roa lahy ireto ny 21 aogositra ho avy izao eo anivon’ny fitsarana ambataonga voalohany Toamasina. Ho eo indray izany ny tohin’ity raharaha ity…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici