- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversFamindran-toerana mpiasam-panjakana : Misedra olona noho ny resaka politika ao Toamasina

Famindran-toerana mpiasam-panjakana : Misedra olona noho ny resaka politika ao Toamasina

Hiditra ny mpianatra ato ho ato, nefa hatramin’izao dia mbola tsy vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny sampandraharahan’ny fanabeazam-pirenena ao Vatomandry sy ao Mahanoro, ho an’ny faritra Atsinanana, ary ny ao Mananara avaratra, ao amin’ny faritra Analanjirofo. Ny mpiasam-panjakana anefa tokony hanaiky ny baikon’ny lehibeny amin’ny famindran-toerana ara-dalàna azy, izay ao anatin’ny fifanarahana araka asa.

Efa nahazo taratasy tamin’ny fampijanona azy tsy ho lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana ao Mahanoro izy, saingy raha nanao ny famindram-pitantanana ilay lehiben’ny faripiadidiana avy ao Vatomandry hisolo azy dia tsy tontosa mihitsy hatramin’izao. Ny antony dia noho ny sakantsakana teo amin’ny depiote avy ao Mahanoro, Atoa Salo. Vokatr’izany dia midongy seza ao Vatomandry ilay lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana any an-toerana, raha efa nahazo taratasy hisolo toerana azy ao Vatomandry ity mpampianatra mbola tanora avy eto Toamasina ireay. Miteraka fikatsoana samihafa anefa izany amin’ny famoahana ireo antontan-taratasy maro, satria efa nahazo taratasy fampiatona azy ireo koa ny eo anivon’ny tahirimbolam-panjakana ka mikatso avokoa ny famoaham-bola ho an’ny fampianarana amin’ireo Sisco voakasika rehetra. Ho an’ny mpampianatra mangataka fifindran-toerana  amin’ny kaominina hafa tsy afaka ihany koa satria tsy misy ny lehiben’ny Sisco hanao sonia ny taratasin’izy ireo. Ankoatra izany tsy eo anivon’ny fampianarana ihany no ahitana izany tsindry amin’ny politika ity, fa hatramin’ny minisiteran’ny fahasalamana ihany koa. Isan’izany ilay didy laharana 691 ny 28 may 2021, fanafoanana  ny fanendrena ny “médecin chef” Distrika Toamasina I.  Hatramin’izao dia tsy tontosa izany famindram-pitantanana izany…

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici