Manoloana ny fahafatesan’ny ampanjaka iray tao Farafangana dia nilaza ny havan’ny maty fa tsy hanaiky mora foana ny zava-nitranga. Misy minisitra teo aloha maromaro ao anatin’ny fianakaviana ary efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena nandritry ny fitondràna nifandimby. Etsy ankilan’izany, ny zandary dia nanazava fa tsy afa-nanoatra nanoloana ilay vonoan’olona. Nalaina an-keriny tao amin’ny biraon’ny zandary io ampanjaka io ary rehefa lasa lavidavitra dia nokapaina tamin’ny antsy ny tendany. Izay raha hiverenana kely no nitranga tao Evato-Farafangana. Koa satria maro loatra ireo olona niditra an-tsehatra dia nanapa-kevitry ny tsy nampiasa fitaovam-piadiana ny zandary, raha araka ny fampitam-baovaon’io vondrona io. Ny anton’ny hatezerana teo amin’ireo andian’olona indray dia noho ny fisian’ny vaky trano izay nitranga tao amin’ny ben’ny tanàna tao an-toerana ka nahatonga io olom-boafidy io ny nametraka fitoriana teo anivon’ny zandary. Rehefa nandeha tokoa ary ny fanadihadiana dia isan’ny voakasik’izany ilay ampanjaka. Raha mbola teo am-panaovana fanadihadiana azy ny zandary no tonga ny olona ary nanery azy ny hanao kabary “Dina”. Izany anefa dia notoherin’ilay olona voakasika ary ny zandary rahateo tsy nanaiky izany satria mbola olona eo am-pelan-tanan’izy ireo sy miatrika fanadihadiana. Raha efa mba nisy ny fifandaminana, raha araka ny nolazain’ny zandary, teo amin’izy ireo sy ny fokonolona dia akory ny hagagana raha niverina tampoka ireo olona efa nilamina ary naka an-keriny ilay ampanjaka ary namono azy mihitsy. Nilaza ny zandary fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ity vonoan’olona ity ary hanokatra fanadihadiana lalina momba izany. Torak’izany ihany koa ny fianakavian’ny maty izay nilaza mazava fa tsy vonovonoina fahatany toa izany ny havan’izy ireo. Hitodika any Farafangana indray ny mason’ny mpanara-baovao momba ity fitsaram-bahoaka hafa indray ity.
D.R