- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Tsoa VHF : Hita ny fiara Golf polo Cross nentiny farany

Famonoana an’i Tsoa VHF : Hita ny fiara Golf polo Cross nentiny farany

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandarimaria Talata Volonondry amin’ny fikarohana ny marina mahakasika ny raharaha nahafaty an’i Tsoa, ilay mpihira ao amin’ny tarika VHF, dia hita ilay Golf polo Cross izay nentiny tamin’io andro nahafatesany io. Raha ny fantatra mantsy dia io ny fiara nentina, fa navadika tamin’ilay fiara Rexton kosa izy noho ny efa maty ary iny no nahitana ny vatana mangatsiakany. « Namofona rà ary mbola nahitana rà tao anatiny ary efa novan’ireo tsy mataho-tody ny lokon’ny « plaque d’immatriculation » », hoy ny fanazavana azo. Marihina fa ny andron’ny fandevenana no nahitana io fiara io. Raha ny fanazavana azo dia manaraka akaiky ny fivoaran’ny fanadihadiana ny olona akaiky an’i Tsoa. Ny herinandro teo no nahitana ny fiara Rextona teny amin’ny tetezana teny Ambohimanarivo, ka hita tao anatiny ny vata mangatsiakan’i Tsoa. Noheverina fa loza no nanjo azy, kanefa rehefa nanao ny fandihadiana ny mpitandro filaminana dia nahita fa novonoina izy io ary natao tao anaty fiara talohan’ny nanosehana izany tao ambany tetezana. Vonoan’olona nosarontsaromana lozam-piarakodia ? Mitohy ny fanadihadiana sy ny fanazavana amin’ny fomba ofisialy ity raharaha ity.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici