- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFamonoana diplaomaty : Nidoboka eny Tsiafahy ilay tovolahy

Famonoana diplaomaty : Nidoboka eny Tsiafahy ilay tovolahy

Mbola tokan-tena ary 27 taona katroka, saingy efa nidoboka eny Tsiafahy noho ny raharaha izay nitranga teny Ambohibao. Nentina teny amin’ny fampanoavana tetsy Anosy izy omaly ary teo dia tapaka ny fitazonana vonjimaika azy mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana ; izay hialohavan’ny fanadihadiana lalina. Raha ny marina anefa, dia mbola vesatra hafa izay tsy misy nidirany tamin’ny vono olona aloha no nampiditra am-ponja azy. Tsy inona izany, fa ny momba ny fanodinkodinany vola an-tapitrisa izay karaman’ny mpiasa tao amin’ny orinasa niasany. Nifanandrify tamin’ny vono olona izay nataony anefa ny fahatrarana azy – Satria tokoa ny tenany dia efa nisy didy fikarohana sy fampisamborana –ary dia nifangaro voraka ny raharaha. Raha ny fanazavana avy tamin’ny mpitandro ny filaminana, dia io vesatra nitorian’ny mpampiasa azy io no anton’ilay fitazonana am-ponja aloha. Mbola hoavy arak’izany ny momba ilay famonoana diplaomaty amerikana atsy ho atsy. Momba izay indrindra, dia nilaza ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana, fa noraisin’ny fanjakana amerikana an-tànana tanteraka ny fanadihadiana momba izay. Somary nahataitra ihany izany, satria teto amin’ny tany malagasy no nitranga ny vono olona ary fitsarana malagasy izany no tokony handidy ny fanadihadiana rehetra. Rehefa tena nojerena anefa ny lalàna mifanandrify amin’izany, avy amin’ny « principe d’extraterritorialité » dia fantatra fa ny trano izay ipetrahan’ny diplaomaty vahiny ary koa ny toeram-piasany dia raisina ho efa any amin’ny firenen’izy ireo ka tsy ananan’ny fanjakana izay ipetrahany fahefana. Izay antony izay indrindra no nahafahan’ny Amerikana nanokatra fanadihadiana ho azy manokana ary ananany fahefana tanteraka ny fampiharana ny lalàna izay mifanandrify amin’izay voasoratra amin’ny sora-dalàna any amin’ny firenen’izy ireo. Raha ny fijery ny raharaha, dia ho voasazy in-droa miantoana izany ity tovolahy ity. Ny fitsarana malagasy, raha resaka fanodinkodinam-bola izay heloka ekonomika, dia matetika any Antanimora no handefasany ny olona. Tamin’ity anefa, dia tsy maintsy nampiseho teo imason’ny Amerikana, fa nandray andraikitra tanteraka amin’ny zava-niseho ary heverina ho izay no nitarika ny fampidirana am-ponja ilay tovolahy teny Tsiafahy. Raha hiverenana, dia resaka « pédé » arak’izay voasoratra omaly tamin’ny gazety no niseho. Niady izy roa lahy rehefa tonga tao an-tranon’ilay vahiny. Nisy hevitra sy resaka tsy nitovy no fijery azy ary dia io niafara tamin’ny famonoana ho faty io. Isan’ny tadiavin’ny Amerikana kosa anefa ny hoe sao dia efa nisy tetika ambadika ka nofofoina mihitsy ny ain’io olon’izy ireo io ? Tsiahivina, fa vao iny alin’ny asabotsy iny ny roa tonta no nifankafantatra tao amin’ny toerana fanaovana « karaoké » iray tetsy Ambohibao. Taorian’izay, dia nifampitarika ny hody ao amin’ny tranon’ilay diplaomaty tao Ambohibao. Dia teo no nitranga ny vono olona. Mbola nahitana vola mitentina 1.5 tapitrisa ariary tany amin’ilay tovolahy ary io dia nolazainy mazava fa vola azy manokana fa tsy nangalarina tao amin’ilay trano akory. Feno rà izy tamin’ny fotoana nahitan’ny zandary ary  nitantara mazava ny zava-niseho. Raha vita amin’ny ampahany ny fanadihadian’ny fahefam-pitsarana malagasy, dia mbola handrasana kosa ny an’ny fanjakana amerikana izany.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici