Nahitam-bokany ilay filazana fikarohana na « Avis de recherche » naparitaky ny mpitandro ny filaminana, mahakasika ilay famonoana ny Minisitra teo aloha Tsiandopy Jacky, tao an-tranony teny Andavadopy, kaominina Anosiala, distrika Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro lasa iny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka ao Nosy-Be ilay zana-drahalahin’ity Minisitra ity, antsoina hoe Francesco ; izay ahiahiana ho nahavanon-doza. Niantefa tany amin’ity tovolahy ity ny ahiahy, noho ny alika mpitsongodia, nampiasain’ny zandary tamin’ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza, nijanona teo amin’ny tranony. Araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena, tamin’ny 2 ora maraina no nahatrarana an’i Francesco raha nijery « festival Somaroho » tao amin’ny kianja filalaovam-baolina ao Abodivoanio, ny alin’ny Zoma 5 Aogositra ny tenany. Ny Zoma tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, no voalaza fa tazana tany an-toerana izy. Niaraka tamina vehivavy iray i Francesco tamin’izany. Niangavy io vehivavy io, hono, i Francesco mba tsy hilaza amin’ireo fianakaviany any Antsiranana, fa ao Nosy-Be izy. Nampiahiahy an’ilay vehivavy izany ka nilaza tamin’ireo fianakaviany ihany izy. Rehefa nandre izany ny polisy dia nanao ny vela-pandrika rehetra ka izao niafara tamin’ny nahasamborana azy izao.
Mody adala. Fa ny nahatsikaiky ireo polisy tamin’ity indray mitoraka ity ,dia ny fihetsika nasehon’i Francesco nandritra ny nandalovany tao amin’ny kaomisaria. Nandalo satria tsy maintsy nampakarina aty Antananarivo ny andron’io ihany izy mba hatolotra ny zandary izay manao ny famotorana momba ity raharaha ity. Nanao mody adala ny lehilahy rehefa tao amin’ny tranomaizina nitazonana azy. Voalaza fa nohosorany ny malotony ny tarehiny manontolo. Fihetsika izay toa midika fa meloka tokoa ranamana. Avelao ny famotorana no hilaza ny marina momba izay.
T.M./D.R.