- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamonoana varira : Nisy nandrahona ny havan'ny maty

Famonoana varira : Nisy nandrahona ny havan’ny maty

Tsy vitan’izay efa maty notapahin-doha ny havana (zazakely tao Toliara) fa mbola nahazo fandrahonana ho faty indray koa. Avy amin’ny alàlan’ny hafatra an-telefaonina no nandefan’ireo olona ny fandrahonana. Raha tsiahivina dia efa olona 18 no nosamborina tamin’ny raharaha famonoana sy fakàna an-keriny zaza varira. Nalefa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ireo voarohirohy mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Fitsaràna izay ho mafy ny didy ary efa nampandre rahateo ny manam-pahefana fa higadra mandram-pahafaty ireo izay voaporofo fa tao anatin’ny tambajotra mpamono zaza varira. Etsy ankilan’izay, nampahafantatra koa ny filohan’ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira fa mbola nisy zaza (varira) iray sivy volana izay nisy naka an-keriny koa. Nampatsiahiviny fa raha araka ny antontanisa dia olona 33 izay tao anatin’ny efa-taona no namoy ny ainy. Hatramin’ny niandohan’ity taona ity fotsiny, raha araka io loharanom-baovao io ihany, dia efa tafiakatra enina no namoy ny ainy. Miady aman’aina hatrany ireo manana toe-tena varira.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici