Atolotra ny fitsarana ireo olona 20 mianadahy voarohirohy tamin’ny famonoana zandary, tany Mandanivatsy. Niaiky ireo mpampiofana zazamena ary dia nanamarina fa izy ireo no mpampiofana andian-jatovo hiambina tanàna ka lasa manao izao asa ratsy izao. Amin’ireo olona ireo dia misy ny zazamena, ny mpanao ody gasy, mpamoaka vaovao diso, ny lehiben’ny fokontany ary kartie mobily. Fantatra fa mampiasa sabatra izy ireto, ody gasy mahery vaika izay sotroina rehefa hanao ny asany, ny maso be tsy mahita. Araka ny fanadihadihana dia mitady ho foana ity fokontany Mandanivatsy ity noho reo mponina izay mbola tsy niverina an-tanana hatramin’izao. Marihina fa andiany voalohany ihany ireto 20 mianadahy ireto fa dia mbola mitohy ny fanadihadiana, ary hisy ny fanampiny aoriana kely. Efa tazonina any amin’ny zandarimaria avokoa ireo olona voarohirohy. Mbola misy ihany koa ny karohina amin’ireo tafatsoaka. Mbola any an-toerana rahateo ny zandary manao ny fidinana ifotony.
Yv Sam