- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana zandary tany Besakay : Tafakatra 18 ireo olona nosamborina

Famonoana zandary tany Besakay : Tafakatra 18 ireo olona nosamborina

Nilaza ny tsy handefitra, na amin’iza na amin’iza ireo zandary ! Tafakatra 18 hatreto raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ireto farany ny isan’ireo olona voasambotra tany Besakay, noho ilay resaka famonoana zandary hatrany, hatramin’ny omaly. Ary heverina fa mbola hiakatra izany satria nisy amin’ireo fokonolona no nitsoaka nihazo ny ala. «Tsy hisy fandeferana na « tolerance zero », izay no baiko azon’ireo zandary amam-polony maro, nirongo fiadiana mahery vaika, nirohotra nihazo ny tanànan’i Mandanivatsy, kaominina Besakay, distrik’Ambatondrazaka, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, handeha hisambotra ireo olona rehetra voarohirohy tamin’ilay resaka famonoana sy fisamborana mpitandro filaminana teo am-panaovana ny asany. Voafaoka tao avokoa, na lahy na vavy, na tomponandraikitra eo amin’ny tanàna na ireo mpanaparitaka ilay sary tanaty tambajotra sosialy, izay voalaza fa « nanaparitaka vaovao tsy marina sy nanao fiantsiana ». « Fepetra sy toromarika hentitra no napetraky ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy Ramatoa Minisitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy ary ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena (…) tsy asiana fandeferana na indrafo ny fampiharana ny tany tan-dalàna manoloana ny loza nataon’ireo fahavalom-pirenena mamono olona sy manapotika ny tontolo iainana. Hisy araka izany ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fitsarana » hoy ny fampitam-baovao azo. Raha tsiahivina kely ny zava-nisy. Zandary roalahy, niaraka tamina Ben’ny ala (agents forestiers) no tonga tao amin’ity tanana kely iray ity, mba hijery ifotony ny zava-nisy rehefa naharay tatitra fa misy fanimbana ala tao amin’io toerana io. Hazo marobe amina metatra maro toradroa tokoa no simba ary lehilahy roa no voalaza fa nanao izany zavatra izany. Nosamborina avy hatrany ireto farany, saingy nanakana izany, « izay nosakajian’izy ireo fa tsy ara-drariny », ireo fokonolona tao an-toerana. Niafara tamin’ny romoromo sy sakoroka tanteraka izany, rehefa nisy iray tamin’ireo « zazamena », (karazana andrimasom-pokonolona) tao an-tanana no nanampatra ny hatezerany tamin’ilay zandary iray. Maty tsy tra-drano ity farany. Voatery niaro tena ireo mpitandro filaminana namany ka nahavoatifitra olona roa tamin’ireto fokonolona, izay maty tsy tra-drano ihany koa. Tsy namelan’ireto fokonolona araka izany raha tsy voasambotra izy ireo ary iny hita amin’ny sary miparitaka eraky ny tambazotra sosialy iny. Marihana fa ny olom-boafidy tao an-toerana no nifandamina tamin’ireo mponina mba hamotsorana azy ireo. Taty aoriana dia hiarahan’ny rehetra mahalala ny zava-nisy, ary izao tonga amin’ny fisamborana faobe izao. Ny nahavariana ny mpanara-baovao sasany ihany anefa dia lasa toa adinodino ary tsy nisy tohiny intsony ny fanadihadiana mahakasika ilay tena fototry ny olana, nahatonga iny savorovoro sy rà mandriaka iny. Tonga amin’ilay fitenenana mantsy manao hoe « ny vy tsy mikitrana irery » ka maro ny manahy fa sao sanatria dia hitovy tsy misy valaka amin’ilay raharaha Antsakabary indray ity tany Besakay ity …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici