- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFampandriana tany any Betsiboka : Olona 11 voasambotry ny miaramila, tao anatin’ny...

Fampandriana tany any Betsiboka : Olona 11 voasambotry ny miaramila, tao anatin’ny roa herinandro lasa.

Fantatra fa nahatratra sy nahasambotra olona ahiana ho olon-dratsy, manodidina ny 11 eo, ny andiana miaramila manao fisafoana eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, hatramin’izay roa herinandro niasan’izy ireo izay. Mpanao fanafihana, mpivarotra rongony, mpamaky trano sy lehiben’ny Zazamainty ny ankamaroan’ireo voasambotra ireo. Misambotra ihany no ataon’ireo miaramila mpanao fisafoana. Ny Zandary sy ny polisim-pirenena kosa no misahana ny fanadihadiana sy ny famotorana. Misy amin’izy ireny  no efa natolotra ny fitsarana, ka nidoboka am-ponja vonjimaika. Efa ho tapa-bolana mahery teo no nisian’ireny andina miaramila manao fanamiana sy mitondra fitaovam-piadiana mivezivezy eny an-dalam-be sy ny any anelakelan-trano eto Maevatanàna. « Misy mitondra basy, « kalachnikov » ireo miaramila, izay azony ampiasaina avy hatrany amin’ny fotoan’ny toedraraha ilana izany. Matetika miaramila enina na fito no indray milahatra miara-dalana. Voalaza, fa tsy eto amin’ny renivohitr’i Betsiboka ihany no nametrahana an’ireo mpitandro  filaminana ireo fa misy ihany koa ny faritra Tsaratanàna, Ambatoboeny, sy ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, hoy Jeneraly Razafitombo Ely, Chef de Brigade ZRPS Delta. Anisan’ny tranga faramparany nahatrarana olon-dratsy antsoina hoe: Sedera; izay  ela nokarohina, ka saron’ireo miaramila, ary teo ihany koa ny nahavoasambotra ireo lehiben’ny Zazamainty roa, efa natolotra ny Zandary  moa izy ireo, ary  samy nidoboka am-ponja rehefa tonga teny amin’ny fampanoavana. « Entanina ny olona lasibatry ny fanafihana, mba hametraka fitoriana eny amin’ny miaramila mpampandry tany. Toy izany ihany koa, ohatra, ny tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany mba hanenjehana an’ireo olon-dratsy eny amin’ny fitoerany, hoy ny Jeneraly Razafitombo Ely.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici