- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversFampandrosoana an’i Menabe : Hadino ireo distrika sasany, hoy ny zanaky ny...

Fampandrosoana an’i Menabe : Hadino ireo distrika sasany, hoy ny zanaky ny faritra

« Tsy misy distrika ho hadino intsony ». Fandre matetika amin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena. Tsy izay anefa no zava-mitranga any amin’iny faritr’i Menabe iny, raha ny filazan’ity zanaky ny faritra iray avy any an-toerana. Tsy afaka ny hitonona anarana ingahy satria raha ny voalazany dia manjaka loatra ny ramatahora mianjady amin’ireo izay sahy milaza. « Dimy ireo distrika mandrafitra ny faritra : Morondava, Belo Tsiribihina, Mahabo, Manja ary Miandrivazo. Ny mahagaga dia tsy misy afa-tsy ao an-drenivohitry ny faritra no voajery manokana, raha tsy hiteny afa-tsy lalana pavé. Izay mbola vita kitoatoa ihany koa aza »hoy hatrany izy.

Nankinina manokana tamin’ireo Goverinora notendrenin’ny Filoha moa ny fampandrosoana ny faritra misy azy izy ireo tsirairay avy araka ny vina napetraky ny fitondram-panjakana. « Raha ny fijeriko manokana anefa dia tsy manana fahaiza-manao loatra izany olom-boantendry izany. Ary diso mametraka loatra ny atao hoe « ilay tia mangaro » (hafa ny zavatra lazainy ary hafa ny zavatra ataony) izy. Hany ka lasa kiantranoantrano no betsaka » raha ny heviny.

Marihana fa efa nisy fivoriana nokasain’ny zanak’i Menabe hatao, handinihana manokana ity raharaha any an-toerana ity fa indrindra entina hisintomana lakolosy ny fitondram-panjakana. « Efa akaiky ny fifidinana, hoy izy. Koa mba tsy haharatsy endrika ny fitondrana any Menabe dia tokony jerena manokana izay zavatra izay». Ny olana mantsy, raha ny filazany hatrany dia marisarisa tanteraka ny fampandrosoana any an-toerana, ka misy fiantraikany sy lasa mampimenomenona ireo vahoaka tsy mandady harona.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici