- Publicité SW45 -
dimanche, novembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFampianarana Loterana Antsirabe : Nanamarika ny faha 155 taona nidirany teto

Fampianarana Loterana Antsirabe : Nanamarika ny faha 155 taona nidirany teto

Teto Antsirabe no nanokafana ny fanamarihana ny faha 155 taona niorenan’ny sekoly loteranina satria raha ara tantara dia teto no nidiran’ireo misionera Noverzianina voalohany  nitondra ny fivavahana loterana. Teto ihany koa ny nihorenan’ny sekoly loteranina voalohany teto Madagasikara ka rariny raha teto Antsirabe no nanokafana izany  fankalazana  jobily lehibe izany. Ny taona 1867 no nihorenan’ny sekoly voalohany tao Betafo, ny taona 1868 dia efa nihorina ihany koa ny tao Masinandraina. Nosafidian’ny fianakaviam-ben’ny fiangonana loterana noho izany ity faritra ity nanaovana ny fanokafana. Tsy azo hodiantsy hita fa nitondra anjara boriky goavana teo amin’ny lafiny fanabeazana sy fampandrosoana ny firenena ny FFL nandritra izay taonjato iray sy tapany izay, isan’ny nisongadina izany tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny olo be sy ny mpitondra fanjakana.

Teny fanevan’ny jaobily ny hoe “ Fa ny Hendry dia hamirapiratra  tahaky ny famirapiratry ny lanitra” , somary taraiky ny fampianarana loterianina eo amin’ny tontolon’ny fanokanana teknika sy arakasa ka hipetraka ho tsangambaton’ny jobily  ny fanorenenana foibe fanofanana teknika lehibe izay haorina eto Antsirabe amin’ity taona ity hoy  Atoa Andrinarison Olivier talemparitry ny FFL/Spam.

Fantatra fa any Fandriana ny datin’ny faha, 15-20 Aogositra ny ivon’ny fankalazana ka hisy fihaonam-be hataon’ireo mpampianatra sy mpandrahaharan’ny fmpianarana loterana, ny volana Martsa 2024 kosa ny famaranana hatao ao Ambatovinaky Antananarivo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici