Faran’izay tsotra ilay fanao ratsy izay nahavita n’ireo tanora roa fisolokoana. Misy ireny kara-pahasalamana ireny izay midika fa raisin’ny orinasa iray an-tànana ny vidim-panafodin’ny mpikarama izay manana azy. Mba hisitrahana izany anefa dia mila manana taratasin’ny orinasa fiantohana sy fanamarinan’ny mpitsabo izay mamaritra ny fanafody ilaina. Teo no nampiasain’izy ireo hosoka ary nahazoany fanafody isan-karazany tany amin’ny toeram-pivarotam-panafody samihafa. Ireo fanafody lafo vidy no tena ataon’ireo lasibatra ary hamidiny moramora kokoa avy eo. Raha ny fantatra dia mpianatr’asa ho farmasiana ny iray amin’ireo mpisoloky. Izany hoe mahafantatra ny pitsony amin’ny raharaha fandraisana an-tànana fitsaboana. Azo heverina fa nanamora ny fisolokiana izany. « Naharay taratasy fitoriana avy amina orinasa iray ny polisy nisahana ny heloka ara-ekonomika Anosy. Izany dua mahakasika ny fisian’ny olona manao taratasy hosoka sy mampiasa izany amin’ny anaran’ny orinasa iray mba hahazoana fanafody izay vidiana amin’ny farmasia. Roa andro taorian’izay dia voasambotra ireo roa lahy tompon’antoka », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Teny Ambohibao, tao amin’ny trano fivarotam-panafody raha saika mbola hanao ny asaratsiny no voasambotra ny iray. Avy amin’ny nahazoana azy no nahafahana nisambotra ilay mpiray tsikombakomba aminy. Tombanan’ny polisy ho efa tafiakatra any amin’ny 10 tapitrisa ariary any ny vola efa lasan’izy ireo tamin’ity fanaony ity. Sarona niaraka tamin’izy ireo ny fitaovana maromaro toa ny solosaina, ny fitomboka hosoka sy ny karatra fiantohana sasantsasany.
D.R