- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsFanadinana :  BEPC Antsirabe / 51 taona no lehibe indrindra

Fanadinana :  BEPC Antsirabe / 51 taona no lehibe indrindra

Delegasiona maro no tonga tao amin’ny CEG Mahazoarivo. (sary Andry N)

Nizotra am-pilaminana ny andro voalohany ho amin’ny fanadidinana BEPC raha ny teto Antsirabe, tsy nahitana olona tamin’ireo ivon-toerana nolalovana. Tao amin’ny ivon-toeram-panadidina CEG Mahazoarivo no nahitana ny ekipan’ny faritra Vakinankaratra, ny lehiben’ny ny fanabeazam-pirenena eto Vakinakaratra Atoa Haja Rakotomalala notronin’ny prefet an’Antsirabe sy lehiben’ny CISCO Antsirabe I. Mba hiantohana ny filaminana sy hampirindra ny fanadinana dia tsy adinon’ireo mpitondra ny nanome toromarika sy fitsipika ho an’ireo mpiadina. Araka ny antontanisa voaray dia 23 957 ny mpiadina eto Vakinankaratra, 28 aminin’izy ireo no manana fahasembanana. 14 kosa ireo mpiadina voafonja. Fantatra fa 9 taona ny zandriny indrindra , raha toa 51 taona kosa ny zokiny indrindra, ao amin’ny CISCO Betafo avokoa no misy azy ireo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici