- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversFanadinana EPS Bacc : Nisy mpianatra namoy ny ainy iray indray

Fanadinana EPS Bacc : Nisy mpianatra namoy ny ainy iray indray

Tovolahy niatrika ny adina fanatanjahan-tena ho amin’ny Bakalorea no nindaosin’ny fahafatesana nandritra izany tao Mananara Avaratra, ny alatsinainy lasa teo. Mpianatra avy amin’ny   Lycée Mananara Avaratra ity tovolahy 19 taona ity ary niomana ny hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea sokajy D. Raha ny fampitam-baovao voaray dia voalaza fa nahavita antsakany sy andavany ireo taranja rehetra teny ambony kianja izy, ary nahavita tsara ihany koa ny taranja hakazakazaka lavitra ezaka 1000 metatra. Taorian’io no nanomboka nahita faharerahana be sy olana ara-pahasalamana izy ka niditra an-tsehatra ireo mpitsabo tao an-toerana, hoy hatrany ny vaovao. Azo lazaina fa tsy naninona izy taorian’ny fitsaboana nomen’ireo mpitsabo, saingy nony afaka kelikely dia nidaraboka tsy nahatsiaro tena intsony. Voatery nentina haingana namonjy tobim-pahasalamana, saingy tsy avotra intsony ny ainy, na dia teo aza ny fitsaboana azy. Tonga teny an-toerana nijery akaiky ity tranga ity moa ireo tompon’andraikitri-panjakana sy ny fampianarana tany an-toerana.

Marihina fa fanindroany amin’ity tranga tany Mananara Avaratra ity izay no nisy mpianatra namoy ny ainy, nandritra ny adina ara-panatanjahantena bakalorea tamin’ity taona ity. Niara-nahatadidy ny rehetra nahakasika ilay zava-niseho tao Moramanga tapa-bolana lasa izay, raha torana tsy nahatsiaro tena ihany koa ny mpianatra iray taorian’ny nanaovana ny taranja hakazakazaka 1000 metatra. Namoy ny ainy adiny roa taorian’izay moa ity mpiadina ity.

Nangonin’i m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici