- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihan-dahalo : Raim-pianakaviana iray sy zaza roa, natao vono moka

Fanafihan-dahalo : Raim-pianakaviana iray sy zaza roa, natao vono moka

Nisedra ny mafy vokatry ny fanafihan-dahalo indray ny tao amin’ny kaominina Isoanala, distrika Betroka. Fianakaviana iray, ny raibeny niaraka tamin’ireo zanaka aman-jafiny no nataon’ireo dahalo vono moka, tsy nanan’izy ireo antra ny alin’ny alahady lasa teo.

Araka ny angom-baovao azo, nisiana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny fokontany Mandarao tao amin’io kaominina voalaza etsy ambony io. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany. Tsy nanana omby akory ireto fianakaviana ireto fa ny basin’izy ireo no nalain’ireo dahalo. Tsy vitan’izay anefa fa raha mba nikasa ny hiaro ny fianakaviany sy ireo fananana keliny ny tompon-trano, avy hatrany dia tifitra variraraka no nitsena ity farany. Nandriaka ny rà ary maty tsy tra-drano ity raim-pianakaviana efa nahazo taona. Tetsy andanin’izay ihany koa, tsy nihanona tamin’ny famonoana ity farany ireo olon-dratsy fa mbola nanampatra ny habibiana tamin’ireo zaza tsy manan-tsiny tao amin’io tokatrano io. Tsy am-pihambahambana tokoa no nitifiran’izy ireo ankitsirano ny zazakely roa tao amin’ilay tokatrano. Namoy ny ainy vokatr’izay ihany koa ireto ankizy ireto Rehefa azon’izy ireo izay nilaina dia nitsoaka izy ireo no sady nanao tifi-danitra. Poa-basy no re nanakoako tao amin’io tanana ity. Araka ny fampitam-baovao dia nisy ihany ny fihezahan’ireo fokonolona nanavotra ireo voatafika saingy atody miady amam-bato izy ireo. Efa tonga tany an-toerana moa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici